Friday 29 March 2024

Mitady hatahotra ranomasina !!!

Miarahaba antsika rehetra indray nahavita ny vacances lehibe 2008 iny!

Tsetsatsetra tsy aritra kely, zava-niseho tany am-panaovana vacances(Italie) no hotantaraiko eto.

Fony fahakeliko dia olona faran'izay tia mandeha eny an-dranomasina sy milalao ranomasina aho. Nony efa lehibe taty aoriana dia lasa manonofinofy ranomasina matetika aho, ka ratsy be ny fisehon'ilay nofy, saika matetika miverim-berina tamiko ilay nofy: nofiko hono fa misy onja avo be faran'izay avobe tokoa manenjika hanarona ahy! raikin-tahotra tsy misy ohatr'izany aho ao anat'in'ny nofiko.

Nofiko ihany koa hono, fa misy onjan-dranomasina mbola avobe ihany koa fa mainty be (toy ny hoe amin'ny andro alina izany no fisehony) tazàko ary tena mampatahotra ahy mafy!

Nanomboka teo dia mila tsy te handeha ho any an-dranomasina intsony aho. Malahelo mafy aho amin'izany satria tena zavatra tiko ny mandeha any an-dranomasina sy milalao ranomasina! humm..

Isaky ny tonga ny fotoana handehanana eny an-dranomasina dia miezaka manadino ireo nofiko aho fa toa tsy mety! Miezaka ihany aho anefa mikasi-drano noho ny fitiavako ranomasina. Tsy sahy miditra lalina intsony aho fa toy ny handentika ahy ny fijeriko ilay rano. Mmmmh!

Teny, teny , ary nandeha ny fotoana, dia nanomboka afak'afaka ny tahotro ranomasina. Nanomboka niditra lalin-dalina tamin'izay aho tamin'ny vacances farany teo. Sendra namboraka volo aho satria mahafinaritra ahy ilay voloko kotsan'ny rano iny, ka ny chouchou namatorako ny voloko, nataoko teo amin'ny haton-tanako. tampoka teo , nisy zavatra nanindrona sy somary nalailay ny haton-tanako, ary nangorintsina avokoa ny sandriko iray manontolo! Taitra aho ka nojereko,...indro fa nisy nangoritsina kely menamena be de be ny faritra iray tokony ho 5cm2 eo ho eo teo amin'ny haton-tanako. Nasehoko ny zandriko ilay izy! Ka hoy izy, nokekerin'ny medusa (meduse) indry hoy izy!

Lasa tsy nahasahy nirobo-drano lalina indray aho taorian'iny raha tsy efa elaela! MMhhh(loza anie izany nanjo ahy izany e!!! mba te handresy ny tahotro ranomasina hay nisehoan-javatra indray)! Adinoko fa ilay chochou nataoko tamin'ny tanako maintimainty izay ka ho noheverin'ilay meduse ho biby angamba ilay chouchou ka nahatonga azy hanaikitra nytanako! hi!hi!hi!hi!

Nandeha ny fotoana, afaka tsikelikely teny ilay tahotro! Sendra nilalao ranomasina toy ny mahazatra izahay, kanjo nikiaka tampoka ny zandriko vavy iray izay, ka namonjy niakatra teny amin'ny toram-pasika! nanomboka nanaintaina mafy azy ny faladihan-tongony, fa nisy zavatra nanindrona mafy azy toy ny in-droan'ny lanin'ny tantely ireny hono! Tsy nijanona ny fanaintainana,hany ka voatery noentina tany amin'ny dokotera izy avy teo. Rehefa nizaha azy ny dokotera dia nilaza fa nokekerin'izany trondro mpanaikitra izany ny tongony ka voatery notsindromina antibiôtika izy, ary nobandiana ilay fery!Hummmm.. lasa tsy te hiroboka ranomasina intsony indray aho nony avy teo!!! Nifarana teo moa ny vacances-ko ka voatery tsy maintsy nody taty France aho ny ampitson'iny!

Malahelo mafy aho noho ny fitiavako milalao ranomasina, fa voatery hitaintaina sy hatahotra indray rehefa amin'ny manaraka! Mmmhhh..

Ratsy vintana ve izaho sa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ny zava-drehetra notantaraiko teo? Mmmmmhhh..

 

 

 


Copyright © 2005 Val_blog - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS