Tuesday 19 March 2024

C'est lété, il faut boire frais ?0

 

EN ETE , IL EST RECOMMANDE DE BOIRE FRAIS?

Diso sa marina?

Amin'ny andro mafana dia tsara kokoa ny miezaka ny tsy misotro ny zavatra mangatsiaka be loatra, satria tsy manala hetaheta avy hatrany izany, fa mampangatsika ny vava fotsiny.

Ny tena tsara dia misotro rano antonony tsy mangatsiaka be loatra, ary raha azo atao dia mifanaraka amin'ny mari-kafanàna eo amin'ny toerana misy anao.

IL FAUT BEAUCOUP SE DESALTERER SI L'ON VEUT GARDER UNE BELLE PEAU SOUPLE

Diso sa marina?

Avy amin'ny alalan'ny fisintoman'ny hoditra rano betsaka (couche inférieure de la peau), izay ahitàna rano 70 %, no afahan'ny hoditra mivelona ara-dalàna;noho izany ilaina tokoa ny fisotroana rano betsaka izay manankana ny fahanteran'ny hoditra ihany koa izany.

Ny voankazo sasany ihany koa dia manala hetaheta, ohatra ny melon, ny pastèque...

 

                                                  

 Euh.....pastèque?... lol

 

 

 

 


- Crêpes-0

 

Efa akaiky ny "été"lol, ka tonga indray  ity ny fotoana fitandremana ny vatana, indrindra ho antsika vehivavy!!!

Sakafo feno ara-dalàna ny crêpes.                   

Marina ve izany?

Eny tena marina ,noho izany tsy ilaina intsony ny mbola manao legioma mitokana (éntrée, sy salady aorian'ny sakafo ) 

Satria moa ny crêpes azo avy @ blé(ny na varim-bazaha), na koa ny blé mainty,  dia mitondra "glucides" izay mahasolo tanteraka ny mofo (baguette, sns io..), na koa ny ovy rehefa hay tsara ny mifidy ny fangarony ampiarahana aminy dia sakafo feno tanteraka ny crêpes, izay ahitana: minéraux, ny fibres, calcium, sy proteina...

 Ireto avy azo ampiasaina amin'izany:

ny holatra

ny voatabia

ny epinard

ny tongolo lehibe

ny atody

raha toa ka crêpes masira ny tiana hatao izany .Feno tanteraka ny sakafo tsy misy atahorana ho banga ny mineraly hilain'ny vatana.

2_Raha toa ka crêpes mamy indray dia:

azo ampiarahina amin'ny voasary notetehina manify nasiana tantely

na koa paoma nasiana cannelle

azo atao koa ny poara, na hodina voasarimakirana voakiky (râpés)!

Au plaisir!

          (Jeune & Jolie, Mars2006)      Amen. lol!

                                                       

 

 


Hommage pour Grégory Lemarchal .0

   

Tsy hita izay teny hilazana ny alahelo  ; ...nodimandry omaly 30Avril i GREGORY LEMARCHAL, rehefa avy nivahiny -24 toana tety an-tany, ary nitolona tamin'ny aretina izay nahatonga ny fahalasanany!

Tsy ho hadino kosa anefa ny anarany fa hitoetra mandrakizay , satria izy dia panakanto nanana ny naha izy azy raha ny feo sy ny talenta,fa indrindra teo amin'ny toetrany izany dia fifandraisana amin' ny olona: tsotra , ary tsy mba nanavakavaka na ny kely na ny lehibe. 

Nahery fo ihany koa, satria na dia teo aza ny aretina nahazo azy ( ny mucoviscidose izany!) dia tsy nitolefika izy fa nihezaka ny ho falifaly hatrany, sy nanao izay mba hanatanterahany ny tanjony dia ny ho lasa Mpihira (fantatra).

                   

                

"On ne t'oubliera jamais ,mon prince!"


SOTROKELY3

 

Betsaka ihany angamba ny mahalala fa mba hitahirizana ny champagne efa nisokatra dia asiana sotrokely mitsongoloka eo @ vavan'ny tavoahangy...

Eto anefa dia lazaina fa diso ary tena diso io hevitra io,...tsy hampisy fiantraikany amin'ny champagne izay hotahirizina akory ny fanasivana sotrokely eo @ vavan'ny tavoahangy... satria ny champagne dia afaka tahirizina andro maro2, (indd ny champagne "tsara"), na misy sotrokely, na tsia.

 

 


Copyright © 2005 Val_blog - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS