Momba ahy
vale

Tia: mozika, mihomehy,lomano,...

search
calendar
« Aogositra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Mirary Paska sambatra !!!

2008-03-24 @ 14:55 in Ankapobeny

 Paska fahatsiarovana

**** 

Taona vaovao tokoa ny hodiavina

2007 namela fahatsiarovana, mafy sy mangidy

Namoizana namana, dia i Grégory izany

Tovolahy tsotra sy tsy mba niavonavona

Atao ahoana moa fa tsy manan-tsafidy

Fa lahatra avokoa izany rehetra izany!!!

Hitsingerina tokoa mantsy izao ny fotoana

Dia ilay fotoana nandaozany ity tany!

Tsisy ny azo lazaina fa toa ny maona ny vava

Olona nolalaina tokoa moa izany!

Miarahaba ny namana tratry ny Paska 2008

Na dia namela fahatsiarovana maromaro aza i 2007

Dia tsy haiko ny tsy hiarahaba,satria nitsanganan'ny Tompo

Tamin'ny maty koa no hankalazaina!

Hatreo ihany fa tsy asiako fanambarana lava

Satria mbola vahoatra ity vava

Arahabaina tratry ny Paska daholo

Ry namana iray manontolo!!!

Vale (Mars 2008)

 

 

Vale.

 

Hevitra

Misaotra an! [Valio]

Misaotra anareo, dia mba ho tsara hatrany no hitranga amin'ity 2008 ity!bizzzzs!!!

Nampidirin'i vale @ 04:01, 2008-03-25

salama [Valio]

arabaina koa i vale! :-)

Nampidirin'i Tokinao @ 20:54, 2008-03-24

[Valio]

dia mirary soa e

Nampidirin'i news2dago @ 16:09, 2008-03-24

[Valio]

mirary soa akia Vale !
Elaela retsy izany.
Mahereza akia fa tsy maty ny fahatsiarovana azy io an. Herintaona sahady ve akia izay ? mitsoriaka be ny fotoana.

Nampidirin'i ikalamako @ 16:09, 2008-03-24